Akon’ny fananganan-tsaina ny Alatsinainy 05 Febroary 2024.

Nitarika ny fananganan-tsaina teto Anosy omaly maraina ny Minisitra Augustin ANDRIAMANANORO. Nanoritsoritra ireo asa miandry ny Ministera izay tantanany, ho fampiroboroboana ny lafiny Serasera sy Kolontsaina eto amintsika, Andriamatoa Minisitra nandritra ny lahateny fohy nataony nanoloana ireo mpiara-miasa rehetra.