IFEM – INSTITUT DE FORMATION DES ENSEIGNANTS

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Andriamatoa Augustin Andriamananoro no nofidin’ny ivon-toerana IFEM ho Ray mpiahy ny andiany « ??????? » izay nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny Sabotsy 3 Febroary 2024 teny amin’ny CCI Ivato.

Nandritra ny lahateny izay nataony, dia nanamafy ny maha zava-dehibe ny fikolokoloana ny olona na ny capital humain, eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana eto amintsika, Andriamatoa Minisitra, ary nampahatsiahy fa iray amin’ireo andry telo lehibe iompanan’ny politika ankapoben’ny fanjakana na ny PGE, ny loharanon-karena mifototra amin’ny olona.
Miisa 1600 ireo mpanabe avy amin’ny sekolim-panjakana sy sekoly tsy miankina manerana ny Nosy , no nahazo mari-pahaizana rehefa avy nampitombo fahalalana sy traikefa teo anivon’ny IFEM.