MIRAY FO AMIN’ I MIKA KELY SY LALIE NY MINISTERAN’ NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

Araka ny efa fantantsika dia, mandalo tsy fahasalamana ny mpanakanto MIKA KELY (Mpitendry) sy i LALIE (mpihira).

Efa nandalo fandidiana i Mika Kely ary mbola mitohy ny fitsaboana azy eny amin’ny hopitaly HJRA amin’izao fotoana izao.

Eny amin’ny hopitaly Befelatanana kosa no tsaboina amin’ny aretina mahazo azy i Lalie.

Nandefa ireo mpiara-miasa aminy Andriamatoa Minisitra Augustin Andriamananoro ny Zoma 2 Febroary namangy azy ireo avy no sady naneho firaisankina tamin’izay ireo.

Mirary fanasitranana haingana ho an’izy ireo isika.