11 FEVRIER 1975 – 11 FEVRIER 2024

TSY HIAMBOHO ADIDY

« Tsy hiamboho adidy aho satria mila olona handray andraikitra ny firenena ». Izany teny naposaky ny Kolonely Ratsimandrava teo am-pandraisana ny fahefana izany no hafatra mbola miantefa amintsika Malagasy tsy an-kanavaka hiatrehana ny fampandrosoana an’ity Madagasikara mamintsika ity.

Ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina dia manamarika izany amin’ny alalan’ity tononkalom-pahatsiarovana nosoratan-dRAZAFIARIVONY Wilson, Ampamoha ity izay notsongaina tao amin’ny gazety VAOVAO, lah. 955 ny 7 Marsa 1975.
 » RATSIMANDRAVA !
RY FILOHA IRAY TSY MANANA SAHALA
Mahonena fa indrisy, ny andrarezina no lavo:
Halan-drivotra tokoa, fa tsy lainga ny hazo avo
Ka potraka ny voarabe endriky ny lohasaha,
Dibo-dranon’alahelo avy eo ny masonao mizaha
Folak’Andry niankinana ny Vahoaka malagasy.
Toro vato nandiavana, ka endre mangasihasy
Vaky fo, mitehin-tratra no mavesatra famindra
fa namoy ny olomanga iray mahery fo indrindra
Nodimandry tsy nampoizina ny filoha RATSIMANDRAVA
Izay tsy niamboho adidy, ka sahy nijoro lalandava,
Nandany mondromondron-kery ho an’i Madagasikara
Tanindrazany lalainy’zay niriny hihatsara
( …)
Ry lehilahy manaiky hatrany ny hiantsoroka adidy
Ny lesona napetrakao dia tena leson-tsarobidy
Tsy nihemotra ianao tanoloan’ny ady sarotra
Noraisinao ny andraikitra, tsy nasianao adivarotra
(…)
RATSIMANDRAVA, ry Filoha iray tsy manana sahala
Matokia fa ny Vahoaka malagasy dia handala
Ny tari-dalana izay napetrakao mba hotratrarina:
Ny hananan’ity Nosy ity ny Fahaleovantena marina. »

RAZAFIARIVONY Wilson, Ampamoha.