FAMPIRANTIANA MOMBAN’NY TANTARAN’ NY KOLONELY RICHARD RATSIMANDRAVA – TRANO SARY AMBOHIDAHY

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy io maraina io tetsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy, ny fampirantiana momba ny tantaram-piainan’ny Kolonely Richard Ratsimandrava. Hetsika karakarain’ny Tranombokim-pirenena malagasy mandritra ny roa herinandro ary misokatra ho an’ny daholobe.

Nanokatra izany ny Sekretera Jeneralin’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Fetra Rakotondrasoava sy ny zanakavavin’ny Kolonely Ratsimandrava, ramatoa Danielle Ratsimandrava. Ity farany izay nampatsiahy ny fahaizan’ny kolonely Ratsimandrava nanakaiky sy nifandray mivantana tamin’ny vahoaka nandritra ny fitantanany ny firenena sy tamin’ireo toerana ambony hafa nosahaniny.

Ankoatran’ny fampirantiana ireo sary sy horonantsary nanamarika ny fiainan’ny kolonely Ratsimandrava dia hisy ihany koa ny velan-kevitra hiresahana bebe kokoa momba ireo zava-bitany ho an’y firenena, mandritra ny hetsika.

cof
cof