FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TENIN-DRENY

Ho fanomanana ny fankalazana ny « andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny », ny Fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny Teny Malagasy eto anivon’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia manomana atrikasa momba ny « Feni-panoratana ny teny malagasy » ny alakamisy 15 febroary 2024 ao amin’ny efitrano DOX – Tranombokim-pirenena Anosy.

Ny Profesora RANAIVOSON Jeannot Fils no hitarika ny fampiofanana izay hanasana ireo filoham-pikambanana sy mpisehatra amin’ny teny malagasy ( mpampianatra kabary, mpanoratra,…).
Fisoratana anarana: 8-13 febroary eny amin’ny Tranombokim-pirenena efitrano A104
Filan-kevitra: 032 12 912 39

« Tenin-dreny, teny mampandroso ».