TAOM-BAOVAO SINOA – TAONAN’ NY DRAGONA

Faly miarahaba sy miara-paly amin’ny vahoaka sinoa monina eto Madagasikara sy manerantany izahay eto amin’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, amin’izao fankalazana ny taom-baovao sinoa, taonan’ny dragona, izao.

Nanome voninahitra ny hetsika kolotoraly, nanamarihina izany fety manan-danja indrindra ho an’ny vahoaka sinoa izany, izay notanterahina teo anoloan’ny lapan’ny tanàna Analakely androany maraina ary nokarakarain’ny Institut Confucius eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, tohanan’ny Masoivoho Sinoa eto amintsika, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ANDRIAMANANORO Augustin.

Hihamafy hatrany anie ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Chine.