ATRIKASA MOMBA NY FENI-PANORATANA NY TENY MALAGASY

????????? 15 ????????, 2024 ???????? ??? ???????????-???????? ?????.

Tontosa androany tao amin’ny Tranombokim-pirenena, Anosy, ny « ???????? ????? ?? ????-?????????? ?? ???? ???????? », nokarakarain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, tamin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny teny malagasy, ary niarahana tamin’ny ????????? ?????????? ??????? ????, mpampianatra mpikaroka avy ao amin’ny Zanatsehatra Malagasy, Oniversiten’Antananarivo.
Natokana ho an’ny mpikabary sy mpanoratra ary mpisehatra maro amin’ny fanoratana ny teny malagasy ny atrikasa. An-jatony ny mpisehatra naneho fahavononana sy nisoratra anarana, saingy noho ny toerana voafetra dia manodidina ny 90 no noraisina tamin’ity andiany voalohany ity.
Tanjon’ny minisitera tamin’ity atrikasa ity ny ho fanampiana ireo mpisehatra amin’ny fanoratana ny teny malagasy ireo, mba hahazo fahalalana misimisy kokoa amin’ny fitsipi-panoratana ny teny malagasy, hisorohana ny mety ho fahadisoam-panoratana miseho any anaty boky sy asa soratra samihafa.
Tafiditra ao anatin’ny hetsika hanamarihana ny ????? ???????-???????? ?? ??’?? ?????-????? (Journée Internationale de la Langue Maternelle) ny 21 febroary izao, ity atrikasa ity. Homena fanamarinam-piofanana ireo nandray anjara tamin’ny atrikasa androany, mandritra ny ivon’ny fankalazana.
Nisolo tena ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, izay mamita iraka any ivelany, androany ny tale jeneralin’ny Tranombokim-pirenena sy ny Tale misahana ny Fampiroboroboana ny teny malagasy.