NANATRIKA NY FANOKAFANA NY FIHAONANA AN-TAMPON’ NY VONDRONA AFRIKANINA ANDIANY FAHA -37 TANY ADDIS – ABEBA NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA

?? ???????? ???? – Nanatrika ny fanokafana ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona Afrikanina, andiany faha-37 eo anilan’ireo Filoham-pirenena sy tompon’andraikim-panjakana maro any Addis-Abeba ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Niarahaba an’i Madagasikara manokana ireo mpitondra samihafa taorian’ny nanatanterahany fifidianana nanaraka ny fenitra demokratika ary neken’izao tontolo izao.

Nanamarika ity lanonam-panokafana ity ny fifandimbiasam-pahefana teo amin’ny Filohan’ny nosy Comores, Azali Assoumani, sy ny Filohan’ny Repoblikan’i Mauritanie, Mohamed Ould El-Ghazaouani, izay handray ny fitarihana ny Vondrona Afrikanina.