« ????? ???????-???????? ?? ??’?? ?????-????? »

“ ?????-?????: ???? ???????????”.

Manome lanja sy manamarika ny 21 febroary “ ????? ???????-???????? ?? ??’ ?? ?????-????? ” ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ireo Malagasy maro amina sehatra samihafa, noho ny teny anisan’ny singa mandrafitra ny maha-firenena ny firenena.
Nakotroka ny fankalazana ofisialy ity fotoana iray manan-danja ity izay notanterahina teto amin’ny Efitrano DOX Anosy androany, ary notarihin’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ?????????????? ????????.
Adidy goavana iantsorohan’ny ministera ny fanandratana avo ny Kolontsaina; ary singa lehibe ao anatin’izany ny teny malagasy, izay tenim-pirenena, tenin-drazantsika. Nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina nandritra ny fandraisam-pitenenany, ny maha-zava-dehibe ny fananganana ireo ????????’?? ???????? ?? ?? ??????????? any amin’ny faritra, izay natao ho ivotoerana fampiroboroboana ny teny Malagasy, indrindra fa ireo tenim-paritra samihafa.
Ankoatr’izay, ny ministera manokana dia manome hasina ny Tenin-dreny amin’ny fametrahana Fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny Teny malagasy ao aminy sy ny tahala manokana ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ahafahana mandalina ny tahirinkevitra momba ny teny malagasy.
Hetsika maro sosona no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny tamin’ity taona ity, ary isan’izany ny atrikasa natokana ho an’ny mpanoratra, mpikabary sy mpikirakira teny malagasy amina sehatra maro, hanampiana azy ireo hahafehy ny feni-panoratana ny teny, ary ny kilalaon-tsaina nentina nanentanana ny ankizy sy tanora hitia sy hirehareha amin’ny fahaizana ny teny Malagasy.