3 ANDRO HANANTATERAHANA NY ANTALYA FORUM DIPLOMATIQUE 2024

? ?????? ???? – Mandritra ny telo andro hanatanterahana ny Antalya Forum Diplomatique 2024 dia handroso vahaolana sy hifampizara traikefa ary hiezaka hitondra feo tokana manoloana ireo ambana efa misy sy vao mipoitra hatrehina amin´izao taonjato faha-XXI izao ireo mpandray anjara manodidina ny 4000 tonga ao Antalya – Turquie.

Nanatrika ny lanonam-panokafana ofisialy izany fihaonambe iraisam-pirenena izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, eo anilan’ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana manodidina ny 20 voaasa manokana any an-toerana.