SOATOAVINA / VEHIVAVY MALAGASY

Mahafaly ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ny manolotra antsika ny soatoavina raketin’ny fitafy, taovolo ary firavaky ny vehivavy malagasy.

Na an-kafaliana na an-karatsiana dia misoritra eny amin’ny vehivavy hatrany ary miasa miaraka toy ny toko telo nahamasaka ny nahandro ny fomba fitafy izay ravahan’ny taovolo haingon’ny ravaka isan-karazany amin’ny tenan’ny vehivavy ka antony mampateza jerena azy hatrany.

Ny fitafy dia sady haingo no manambara ny maha izy ny faritra tsirairay. Azo sokajiana ho zavakanto nentim-paharazana amin’ny firenena iray mihitsy aza noho izy manana ny toetrany manokana mampiavaka azy amin’ny hafa.

Amin’ny ankapobeny dia iraisan’ny vehivavy manerana ny Nosy ny fitafiana lamba. Ny any amoron-tsiraka dia misalotra ny sembo, sikina, kitamby… Raha toa kosa ka mitafy ny lamba landy ny afovoan-tany.

Ny vehivavy dia tsy mba mamolaka ny lambany fa nasarebany amin’izao, misy ihany ny mampiakatra kely azy amin’ny vatany mba hahameva ny bikany. Antsoina hoe vehivavy jefy kosa ireo izay manarona manontolo ny endriny hatrany an-tampon-dohany amin’izany lamba izany.

“Asampina na isikinana” no fampiasan’ireo andriambavilanitra ny lamba ka maro ny anarana iantsoana ny sikina manaraka ny endriny eny amin’ny vatan’ilay vehivavy: Sikim-balaka : lamba ahodidina ny valahana . Sikim-ponitra: lamba ahodidina ny valahana fa afatotra mafy ary Sikim-bavy: akarina hatrany ambany helika ny sikina

Ny tarehy, hono, no ratsy ka ny volo no aolankolana; manome hatsarana ny vehivavy ny volo izay voafaritra amin’ny fanamboarana azy araka ny taovolo. Voafaritra tamin’ny alalan’ny randrana amin’ny ankapobeny ny taovolo noho izy mialoha lalana izany. Voalaza fa fito, isa masina ireo karazana randrana ary sahala izay koa ireo taovolo. Manan-kasina araka izany ireo andriambavilanitra amin’ny malagasy noho izy loharano nipoirana sy kitapo nifonosana.

Ho fanampin’ny taovolo sy ny lamba fitafy dia niravaka ihany koa ny andriambavilanitra malagasy.

???? ?????????? ????ℎ? ?? ???????? ??????? ????????.

Loharano :FMK/MSK

Sary: Tranombokim-pirenena malagasy (BNM)