11 MARTSA 2024: TAOM-BAOVAO MALAGASY- FANOMEZAN-KASINA NY SOATOAVINA MALAGASY

Notanterahina tao anaty fifanajana sy fifankatiavana ny fankalazana ny taom-baovao malagasy androany teny amin’i Rovan’i Madagasikara.

Toy ny omaly dia nanotrona izao lanonana izao ireo olo- manan-kaja maro eto amintsika, isan’izany ny minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny ambasadaoro avy amin’ny firenen- tsamihafa nahitana ny masoivoho frantsay, sinoa, japoney ary indiana.

Notohizana tamin’ny fitsofan-drano ny fankalazana ny taom- baovao malagasy tamin’ity 11 Marsa ity. Fomba fanao amin’ny taom-baovao toy izao izany, rehefa vita ny fidiovana amin’ny faran’ny taona. Rano avy amin’ny loharano laroina tantely no ampiasaina amin’ny fitsofan-drano toy izao.

Nanamarika ity lanonana androany ity koa ny « ????? » na « ?????-???? ». Fomba fanaon’ny malagasy taloha izany, rehefa tapitra ny fahavaratra ka manomboka kosa ny fararano ho fisaorana ny Nahary noho ny fitahiany sy fanambinany ka niakatra soa aman-tsara ny vokatra teny an-tsaha. Vary amin- dronono sy tantely no sakafo anamarihana izany fomba izany. Fomba izay itovizan’ny faritra rehetra. Nisy koa ny fanaovana ny « ?????????? » na fizarana salohim-bary.

Nandritra ity lanonana ity koa no nangataka famerenana antanindrazana ny kabeson’ny mpanjaka Toera ny fianakaviana Kamamy. I Toera izay mpanjaka Sakalava, notapahin-doha tamin’ny fanjanahan-tany. Mbola tsy tonga eto Madagasikara ny taolam-balony fa any Frantsa hatramin’izao. Efa nanomboka nanao dingana ny amin’ny tokony hampodiana izany rahateo koa ny fanjakana malagasy. Natolotra ny masoivohon’i Frantsa ampahibemaso izany fangatahana izany ary nanome toky izy fa hampita izany amin’ny minisitry ny Kolontsaina frantsay.

Mbola hotohizana amin’ny taom-baovao fangatahan-tsodrano izao fandalana ny soatoavina malagasy izao amin’ny volana septambra.

??????? ?????? ?? ????????????!