AKON ‘NY FANKALAZANA NY TAOM-BAOVAO MALAGASY TANY AMIN’ NY FARITRA

??????? ???̂??

Tao anatin’ny fifankatiavana, fifamelana ary firaisan-kina no nankalazana ny taom-baovao malagasy tao Taolagnaro. Nisy ny diabe izay nandraisan’ireo tanora anjara, nofaranana tamin’ny kabary nifandimbiasana izay notarihin’ny governoran’ny faritra Anôsy sy ireo raiamandreny ara-drazana, ary narahina tso-drano sy hira niarahana tamin’ireo mpiangaly vakodrazana.

??????? ?????????????

Fizarana ny afo tsy maty sy tatao narahina tso-drano avy amin’ireo raiamandreny, nitohy tamin’ny tsimandrimandry no namaranana ny taona. Hetsika isan-karazany kosa no notanterahina ny alatsinainy 11 Marsa tao amin’ny tranoben’ny serasera sy kolontsaina AKON’ANKARATRA, nahitana vakodrazana, sehon- kabary (dontany sy kapotandroka ary rantinkabary), filatroana nanehoana ny taovolo sy fitafy malagasy, vakisova, tandonaka ary fifaninanana milalao fanorona.

??????? ??????? ???????

Ny harivan’ny Alahady 10 Marsa no notanterahina ny diabe namakivaky ny tananan’Ambatondrazaka ary nofaranana tamin’ny afon-dasy. Nisy kosa ny « tatao » na ny fihinanana ny vary amin-dronono sy tantely niarahana tamin’ireo manam-pahefana samihafa ny Alatsinainy 11 Marsa.

??????? ?????????

Fidiovana isan-tokatrano narahana hetsika sy lanonana toy ny aponga vilany sy fampisehoana ny kolontsaina avy amin’ireo fikambanana samihafa fiaviana. Fitsenana ny afo tsy maty sy fitsofan-drano nataon’ireo olobe ary fitondrana arendrina manodidina ny tananan’i Tsiroanomandidy no nentina nankalazana ny taom-baovao ary nofaranana tamin’ny tsimandrimandry.

Sary vitsivitsy nanamarika ireo lanonana tany amin’ny faritra.