FARITRA ANALANJIROFO – TETIKASA PROM’ ART

??????? ????? ?? ???????????????? ???-?????????? ???? ??????????.

Mitohy hatrany ny ezaka fanatsarana ny asan’ireo mpisehatra amin’ny zava-kanto tanterahin’ny ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina. Taorian’ny tany Antsirabe Faritra Vakinakaratra dia anjaran’ny tao Fenoarivo Atsinanana Faritra Analanjirofo indray no nisitraka ny tetikasa ????’??? novolavolain’ny fitaleavana misahana ny zava-kanto sy ny fanapariahana ny zava-kanto artistika eto anivon’ny ministera.

Tsy miova ny tanjona dia ny hampivoatra sy hitondra tantsoroka ary hampitombo lenta ireo mpanakanto sy ny kanto vokarin’ireo mpisehatra mba hahafahan’izy ireo mandraharaha sy mitrandraka izany ho lasa antom-pivelomana feno.

Mpisehatra amin’ny zava-kanto sy mpianatra avy amin’ny oniversite miisa 40 no nahazo fiofanana avy amin’ny Le CEENTRE na ny ?????? ?’?????????? ?? ???????????????, mahakasika ny fandraharahana ara-kolontsaina, ny lafiny serasera sy ara-barotra ary ny fampivoarana ny maha-olona ary notolorana ny « ??????????? ?? ????????? ?? ??????????????? ???????? » tao amin’ny ????????’?? ??????????? ao Fenoarivo Atsinanana ny 14 sy 15 Marsa 2024.

Andalana koa ny fametrahana ny ?????? ?’?????????? na ivotoerana hiketrehana ny mpanankato sy ny asa-kanto any antoerana.

Hiparitaka amin’ny faritra hafa manerana an’i Madagasikara ny tetikasa PROM’ART tohanan’ny fandaharanasa UNESCO-Aschberg.