HIRAGASY

Fetibe tamin’ny alalan’ny ady hiragasy goavana no nanamarihan’ny Mpihira gasy ny nahatafiditra ny Hiragasy ho Harena ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana.

Taorian’ny fankatoavan’ny UNESCO hampiditra ny Hiragasy ho Harena ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana na « ?????????? ???????? ??????́???? » dia nisy ny hetsika nokarakarain’ny mpikatroka Hiragasy tao amin’ny Kianjan’ny Kanto ny alahady lasa teo, tamin’ny alalan’ny ady hira gasy goavana izay nikatroan’ny Ramilison Besigara sy Rasoalalao Kavia izay samy efa nitondra avo ny anaran’ny Madagasikara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Nandritra ity hetsika ity no nanoloran’ireo mpikatroka Hiragasy fisaorana ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina, izay angady nananana sy vy nahitana nahafahana nametraka amin’ny toerana ny Hiragasy tahak’izao. Nisy ny iray minitra fahanginana nahatsiarovana ireo Mpihira gasy sangany efa nodimandry tahaka an’i Ra petit Sahondrafinina, Radona Ramilison.

Notololorana fisaorana nandritra ny hetsika ihany koa ireo vato nasondrotrin’ny tany nanohana hatrany ny hiragasy, tahaka ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Augustin Andriamananoro, ny depiote Rossy, Didier Moreau sy Emelyne, Solofo Gaspira, Dolly Odeamson.

Nandritra ity hetsika ity koa no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana vaovao voafidy handrafitra ny biraon’ny Mpihira gasy na ny FIMPIMAMAD , izay nahalany an’Andriamatoa Jean José RAMANAKARIVO ho filoha.

#hiragasy #Zavakanto #kolontsaina #MSK