ATRIKASA VOALOHANY NAMETRAHANA NY KOMITY NASIONALY MANDRINDRA NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY FANJAKANA SY NY SEHATRA TSY MIANKINA (???????????? ??????-?????́ – ???)

Nanatrika ny fivoriana voalohany an’ny komity nasionaly momba ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina, izay notanterahina io maraina io teny Alarobia, ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ANDRIAMANANORO Augustin niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta samihafa. Ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika no mitarika ity komity ity izay ahitana minisitra maro sy solontena avy amin’ny sehatra tsy miankina.

Nolaniana androany ny fitsipika anatiny mifehy izany rafitra izany ary ny politika nasionaly hitarika ny fampiroboroboana sy fanamorana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina.