FIFAMINDRAM-PAHEFANA

Notanterahina ny Alarobia 03 Avrily 2024 teny amin’ny Rovan’i Madagasikara ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Tale vaovaon’ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara, Ramatoa Niry Rajaonarison sy ny Tale mpisolo toerana teo aloha, Ramatoa Haingonirina Fanomezantsoa Ramahefason.

Nanatrika ity fotoana ity fotoana ity ireo tompon’andraikitra samihafa eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina nahitana an’Andriamatoa Miadana, mpanolontsaina Teknika sy Andriamatoa Francis Razafiarison, Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, ary ny Ray aman-dreny Printsesy Fenosoa Ralandison.