??? -????-: ???????-????? ????? ???????

Vinan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fanomezan-danja ny pika sary amin’ny fanohanana ireo mpaka sary hiroso ao anatin’ny sehatry ny matihanina. Miara-miasa amin’ny minisitera amin’izany ny UPPM (Union des Photographes Professionnels de Madagascar). Ny alakamisy 11 Avrily lasa teo, tonga nanolotra ireo sary nandritra ny fankalazana ny « Taombaovao malagasy » 2024 tamin’ny minisitra ANDRIAMANANORO Augustin ny solotenan’ny UPPM.

Noresahan’ny roa tonta ny maha zava-dehibe ny tsy maintsy hametrahana ny Holafitry ny mpaka sary eto Madagasikara, mba hanamafisana ny asan’izy ireo eo amin’ny lafiny ara-panjakana.
Nodinihina koa ny fiaraha-miasa azo atao entina hampiroboroboana ireo vakoka ara-kolontsaina eto an-toerana amin’ny alalan’ny fandraketana antsary ireny toerana ireny mba hahafahana mapahafantatra azy amin’ny be sy ny maro.
Ny UPPM izay mankalaza ny 10 taona niorenany ary nanamarika izany tamin’ny lanonana notanterahina ny harivan’ny zoma 12 Avrily. Nisolo tena ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’izany ny Sekretera Jeneraly RAKOTONDRASOAVA Fetra, izay nanamafy nandritra ny lahateny fohy nataony ny fahavononan’ny minisitera hanohana ny fampiroboroboana ny asan’ny mpaka sary.
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha folo taona niorenany izay haharitra herintaona, dia
nizara traikefa ho an’ireo mpisehatra amin’ny mpaka sary pika, na mpanao hosodoko, na mpanoratra na mpanatontosa horonantsary ny UPPM miaraka amin’ny « Cabinet Rakotomanana » ny tolakandron’ny sabotsy 13 Avrily 2024.
Noresahana nandritra io fihaonana notanterahina teny amin’ny  » Trano Sary » Ambohidahy io ny olana sedraina matetika amin’ity sehatra ity. Eo koa ny zo sy ny lalàna miaro ny asa famoronana eto amintsika.