FAMINDRAM-PAHEFANA TEO AMIN’NY TALEN ‘NY RNM, NOTANTERAHINA ANDROANY 16 APRILY 2024

Notontosaina androany tao amin’ny tranoben’ny ORTM, ny maraina teo ny famindram-pitantanana ny radiom-pirenena teo amin’ny tale teo aloha, ????????? ???????????????? sy ny tale mpisolo toerana ????????????? ?????? ?????????????.

Nanamarika ny tale teo aloha, raha nandray fitenenana fa « mahay sady tia ny asany ireo mpiara-miasa eto amin’ny RNM, niara-nisalahy taminy nandritra ny fotoana nitantanany ity rantsa-mangaika ity nandritra ny herintaona sy telo volana.

Manome toky kosa ny tale vaovao fa  » tsy handraraka ilo mby an-doha » ny fatokisana apetraka aminy amin’izao fanendrena azy izao. Nitarika ny famindram-pahefana ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina nohotronin’ny Tale Jeneralin’ny ORTM Ranarivelo Nampoina notronon’ireo mpiasa eo anivon’ny Rnm.

Mankasitraka ny asa vitan’i Tale teo aloha tamin’ny adidy lehibe, nataony nny sekretera jeneralin’ny ministera. Tsy ho an’ny RNM fotsiny, izany asa lehibe izany, hoy izy fa ho an’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara sy ny firenena mihitsy.