????? ???????-???? ?? ??’?? ???? ?? 29 ??????.

Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety momba ny andro maneran-tany ho an’ny dihy ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina miaraka tamin’ireo fikambanan’ny mpandihy Malagasy anio.

Hankalazana amin’ny 4 sy 5 may ho avy izao ity andro maneran-tany ho an’ny dihy ity. Hetsika sy seho maro no hatao mandritra io roa andro io izay hahitana ny karazana dihy rehetra.
« ?????ℎ? ???? ??????? ????’?? ???????????? ?? ??ℎ? ???????? », izany no voizin’ireo mpandihy ireo mandritra ny fankalazana izay hiainga ao amin’ny kianjan’ny hira gasy amin’ny 4 may ho avy izao. Ny tolakandro kosa ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, hotanterahina ao amin’ny Havoria Anosy.

Mbola hitohy ao amin’ny Ivokolo Analakely ny hetsika fankalazana ny alahady 5 may. Manodidina ny 40 eo ho eo ny isan’ireo mpandihy hanafana ny sehatra amin’ireo toerana telo voalaza ireo mandritra ny roa andro.