???????? ?????? 4

Nanome voninahitra ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana ireo mpilalao sarimihetsika sy mpanatontosa mendrika ao amin’ny fahitalavitra Novegasy na ny  » ???????? ?????? », ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana Ramatoa ???????????????? ??????, notronin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny ministera, nahitana ny Sekretera Jeneraly sy ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina ary ireo Tale samihafa.

Nidera ny fahasahian’ny Vondrona Canal Plus nametraka modely ekonomika mahomby toy ny Novegasy, izay mankalaza sahady ny faha 4 taona nisiany ramatoa minisitra. Nambarany fa tosika lehibe ho fampiroboroboana ny sehatry ny sarimihetsika malagasy ny fisiany.
Nampatsiahiviny ny fisian’ny rafitra ISSM na Ivotoeran’ny Sarimihetsika sy ny Sarimiaina Malagasy eo anivon’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay natao hanohanana ny indostrian’ny sarimihetsika malagasy amin’ny alalan’ny fanomezana sehatra ireo mpanatontosa vao misondrotra. Nomena sehatra lehibe koa ny sarimihetsika nandritra ny hetsika  » Tokotany be » farany teo, ary mbola hitohy amin’ny endriny maro ny fampiofanana sy tan-tsoroka samihafa, hoy izy.
Tsy adinony ny niarahaba ireo mpilalao sarimihetsika, mpanatontosa sy ny maro hafa notolorana mari-pankasitrahana ary nisaotra ny ezaka hiroso amin’ny tsara kokoa hatrany amin’ny asan’izy ireo.
Nanotrona ity lanonana ity koa ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo aloha Andriamananoro Augustin, niaraka tamin’ireo vahiny maro mpanohana sy mpankafy ny sarimihetsika malagasy.
Tantara 11 no nifaninana tamin’ity taona ity ka ny WISA 4 no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny safidy nataon’ireo mpankafy, raha ATRIKA kosa no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny safidy nataon’ireo mpitsara.

Ankoatra izay dia nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana an’ireo mpilalao be mpankafy indrindra teo amin’ny sokajy lahy sy vavy.