????? ???????-???????? ?? ??’?? ????? – 18 ???.

Ankalazaina maneran-tany isaky ny 18 mey ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Mozea. Lohahevitra nosafidiana ho an’ny taona 2024 ny hoe:  » ????? ℎ? ??’?? ??????????? ?? ?? ??????ℎ??? ».

Ho antsika eto Madagasikara, dia eny amin’ny rovan’ny Madagasikara no hanatanterahina ny fankalazana ofisialy ny harivan’ny Sabotsy 18 Mey ho avy izao.
Hisokatra ho an’ny besinimaro kosa ireo mozea samihafa eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ka isan’izany ny eny amin’ny rovan’Ambohimanga sy ny rovan’i Madagasikara ary ireo mozea samihafa manerana ny nosy. Ho maimaim-poana ny fidirana ho an’ireo mpianatra mandritra io andro io.
Mandritra ny herinandro, ny 18 hatramin’ny 24 mey, dia hanaovana fampahafantarana amin’ny fahitalavi-pirenena sy eto amin’ny pejy fesibokin’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ireo mozea eto amintsika.