????????’?? ???????? ????????’?? ???????? ???????? ?? ?????????? (?????????? ????? ?? ?????́??????) – ??????? ???????.

Anisan’ireo ho lahadiniky ny vaomiera iombonan’ny firenena malagasy sy maorisiana hivory manomboka rahampitso any Maorisy ny fiarahamiasa sy fifanakalozana amin’ny sehatry ny Kolontsaina eo amin’ny firenena roa tonta.

Ity fivoriana ity dia tohin’ny fihaonana teo amin’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny Praiminisitra maorisiana, Atoa Pravind Jugnauth, nandritra ny fihaonana antampon’ny Vondrona afrikana tany Addis Abeba ny volana febroary 2024.
Fitaovana diplomatika iray hahafahana manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny kaomisiona iombonana. Mitarika ny delegasiona malagasy any antoerana ny minisitry ny raharaham-bahiny RASATA Rafaravavitafika.
Tompon’andraikitra ambony misolo tena minisitera miisa 8 no miara-dia aminy hiatrika ireo fivoriana sy ady hevitra samihafa hotanterahina ny 15 sy 17 mey ho avy izao. Isan’ireo voakasiky ny fifanarahana ny sehatry ny asa, ny jono, ny kolontsaina, ny hetra, ny fampianarana ambony, arateknika sy fampianaran-kasa, ny tontolo iainana, ny varotra, ny fitaterana andranomasina sy anabakabaka, ary ny fahasalamana, ny fanajariana ny tany sy ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola eo amin’ny tany roa tonta.
Niroso avy hatrany tamin’ny fivoriana fanomanana ny delegasiona malagasy io maraina io tao amin’ny masoivohon’i Madagasikara ao Maorisy.
(??????? ?????̧????)
2?̀?? ??????? ?? ?? ?????????? ????? ?? ?????́?????? ?????????? – ???????
La 2ème réunion de la commission mixte entre Madagascar et l’île Maurice se tiendra à Maurice, du 15 au 17 mai 2024. Cet événement revêt une grande importance dans le cadre du renforcement des relations bilatérales entre les deux pays.
Cela fait également suite à la rencontre entre SEM Andry Rajoelina, Président de la République, et SEM Pravind Jugnauth, Premier Ministre Mauricien, à Addis Abeba, en marge du sommet de l’Union Africaine en février dernier.
Sous la direction de la Ministre des Affaires Étrangères, Rafaravavitafika Rasata, la délégation malagasy, composée de plusieurs directeurs généraux et directeurs représentant huit ministères, participera activement à ces échanges diplomatiques.
Les discussions porteront sur plusieurs domaines tels que l’emploi, la justice, la culture, la pêche, l’enseignement supérieur, technique et professionnel, l’environnement, la fiscalité, le commerce, les transports maritime et aérien, et également, la santé, l’aménagement du territoire et la promotion des investissements entre les deux pays.

En préparation de cette rencontre, une réunion a été tenue ce matin à l’ambassade malagasy, avec la participation active de l’ambassadeur malagasy à l’île Maurice le Gal Camille VITAL, soulignant l’importance stratégique accordée à cette initiative de coopération bilatérale.