?????????? ?? ???????????????? ?? ??????? – ??????? ?????????????.

Natolotr’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny vahoakan’i Mandoto ny alarobia 15 mey 2024 lasa teo ny Tranompokolonona naorin’ny fitondram-panjakana ho an’izany distrika izany. Fotodrafitr’asa izay nataon’ny fitondram-panjakana hanomezana sehatra sy hanandratana ny kolontsaina.

Mirefy 22 metatra ny halavany ary 15 metatra kosa ny sakany. Mizara ho roa ny efitra ao amin’ny tranompokonolona : ny iray lehibe dia efitra fanaovana lanonana izay mahazaka hatramin’ny 250 olona raha mipetraka ary hatramin’ny 300 olona kosa raha mitsangana. Ny efitra kely faharoa dia natokana hiomanan’ireo olona rehetra izay hiakatra eo ambony sehatra.