MOZEA HO AN’NY FANABEAZANA SY FIKAROHANA-18 MEY 2024

Toy ny firenena maro mpikambana ao anatin’ny filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny Mozea na ICOM dia nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Mozea koa i Madagasikara omaly 18 Mey teny amin’ny rovan’i Madagasikara, iray amin’ireo mozea eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ramatoa ???????????????? ??????, minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana no nitarika ny lanonana fankalazana ofisialy.

 » ????? ?? ??’?? ??????????? ?? ?? ?????????? » no lohahevitra niompanan’ny fankalazana amin’ity taona 2024 ity. Lohahevitra izay manasongadina ny maha zava-dehibe ny mozea amin’ny maha rafitra mampiroborobo ny fanabeazana sy ny fikarohana ary ny fahatakarana ara-kolontsaina, azy.
Notsiahivin-dramatoa minisitra fa ny zava-kendren’ny Mozea dia :
Maneho ny soa toavina maha izy azy ny vondron’olona, ny faritra, ny firenena amin’ny alalan’ny fanangonana, fiarovana, fikajiana ny harembakoka;
Mampita ny hafatra sy ny soatoavina amin’ny taranaka faramandimby amin’ny alalan’ny fampirantiana ireo harembakoka;
Mampivohitra ny maha izy azy ny firenena Malagasy sy ny mahazava-dehibe ary ny mampiroborobo ny kolontsaina marolafy;
Manentana ny vahoaka handray anjara sy handray andraikitra amin’ny fikajiana ny harentsaina;
Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy amin’ny alalan’ny fizahan-tany sy ny serasera.
Anisan’ny tanjon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fanapariahana sy ny fanomezan-danja ary ny fampiroboroboana ny Mozea mba hampahalalana ny kolontsaina sy tantara.
Ho fanamarihana izany andro iraisam-pirenena ho an’ny mozea izany dia nosokafana maimaimpoana ho an’ireo mpianatra ireo mozea eo ambany fitantanan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny sabotsy 18 mey teo.

Raha ny antontan’isa avy amin’ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara dia nahatratra 3078 ireo mpianatra nitsidika ity toerana ity omaly. Ho an’ny teny Ambohimanga Rova kosa dia nahatratra 268 ireo mpianatra nitsidika. Tany Toamasina kosa dia nahatratra 154 ireo mpitsidika ny Mozea Vavitiana omaly.