ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’ NY FARITRA 2024 – SAVA

Isan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Faritra 2024, notanterahina ny 7,8, ary 9 jona lasa teo tany Sambava, renivohitry ny faritra SAVA, ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy Kolontsaina – SAVA.

Ity hetsika ity dia nokarakarain’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny natao hanasongadinana ny haren’ny faritra sy ny drafitrasa fampandrosoana. Natao koa hisarihana ireo mpiara-miombon’antoka nasionaly sy iraisam-pirenena, ary ireo mpikambana am-pielezana avy any amin’ny faritra, mba hijerena ny fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana ny faritra.

Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy tany antoerana ny zoma lasa teo ny minisitry ny Raharaham-bahiny no sady minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana Rafaravavitafika Rasata sy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany Naina Andriantsitohaina.