FANKALAZANA NY IRAY VOLAN’ NY TENY MALAGASY – FANOHANANA NY MPANORATRA

Araka ny nambaran-dramatoa minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana Rafaravavitafika Rasata nandritra ny lanonam-panokafana ny ???? ?????’?? ???? ????????, dia hanome sehatra manokana ireo mpanoratra Malagasy mamoaka boky mandritry ity volana Jona ity ny Minisitera amin’ny alalan’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara.

Manome fotoana antsika rehetra mpankafy ny literatiora malagasy ny zoma 21 Jona 2024 amin’ny 2 ora sy 30 mn ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy.