IRAY VOLAN’ NY SARY HOSODOKO : FANOMEZAM-BONINAHITRA IREO TALENTA MALAGASY

Isan’ireo kolontsaina efa nisy an’arivo taona maro ny sary hosodoko maneran-tany, ary tsy diso anjara amin’izany ny fahaiza-manaon’ireo mpanan-talenta Malagasy.

Ezaka natao teto anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny tsy hisy sehatry n’y kolontsaina ho hadinoina ary hatao ny fomba rehetra hampiroboroboana ny sehatry ny kolontsaina tsirairay. Tafiditra ao anatin’izany ezaka izany ny fikarakarana ny hetsika “Iray volan’ny sary hosodoko” izay nisokatra nanomboka ny alatsinainy 01 jolay hariva ary haharitra iray volana eny amin’ny Ivokolo Analakely.

Ho sehatra ampirantiana sady hanatontosana ireo hetsika samihafa manodidina ny hosodoko ireo toerana manan-tantara vitsivitsy ( site culturel) eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina amin’ity volana ity. Ankoatra ny varotra fampirantiana tanterahina eny amin’ny Ivokolo Analakely, hisy koa ny « live painting » atao eny Ambohimanga Rova sy eny amin’ny Rovan’I Madagasikara.

Nanokatra ny iray volan’ny sary hosodoko tamin’ny fomba ofisialy ny Sekretera Jeneralin’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina Fetra RAKOTONDRASOAVA nisolo tena ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana Rafaravavitafika Rasata notronin’ny Talen’ny Kabinetran’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny.

Misokatra ho an’ny be sy ny maro ny fampirantiana eny Analakely ary ireo hetsika samihafa tanterahina mandritra ity volana ity. Mbola hisy kosa ny fandaminana ho an’ny hetsika any amin’ny faritra.