???? ?????? ????????.

N????????? ?????’?? ????? ???????? ?????

Natomboka ny harivan’ny alakamisy 25 jolay 2024 tetsy amin’ny havoria Anosy ny hetsika Mada Gospel Festival andiany voalohany. Natao izao hetsika izao hisarihana ireo mpisehatra sy mpankafy manokana ny Gospel. Hetsika iray fanaon’ny renivohi-pirenena maro any ivelany izy ity ka izany no nanatanterahana azy koa teto Antananarivo.
Eo ambany fiahian’ny MSK ity hetsika ity ka nandray fitenenana tamin’ny fanokafana ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina mpisolo toerana, Ramatoa Rafaravavitafika Rasata. Nohamafisiny tao anatin’ny lahateny izay nataony ny hampiroboroboana ny Gospel satria, toy ny zava-kanto rehetra dia mitondra fanabeazana sy fivoarana amin’ny lafiny maro fa indrindra ny kolontsaina ny fanaovana azy.

Ny tarika Singers of Jesus, GMMC ary TGC no nisantatra ny fanokafana ny hetsika izay tsy hifarana raha tsy amin’ny 28 jolay izao. Toerana maro samihafa eto Antananarivo no hanatanterahana azy toa ny Havoria Anosy, sy Ivokolo Analakely ary eny amin’ny Kianjan’ny kanto Mahamasina.