ANDRO MANERAN-TANY HO AN’ NY FAKANA SARY

Amin’izao fanamarihana ny andro manerantany ho an’ny fakana sary izao, ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia faly mankalaza ny talentan’ireo mpaka sary sy ny anjara biriky entin’izy ireo amin’ny fampisongadinana ireo harempirenena samihafa, amin’ny fitahirizana ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny sary, ary ny fampitana vaovao sy hafatra eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety.

Iray amin’ireo sehapihariana ao anatin’ny indostrian’ny kolontsaina sy ny famoronana ( industrie culturelle et créative) imasoan’ny MSK ny fampiroboroboana azy ny fakana sary, mba ho tena matihanina sy asa mahavelona tanteraka.

Miarahaba manokana ireo mpanao gazety mpaka sary avy ao amin’ny Collectif des Reporters d’Images de Madagascar (CRIMAD) sy ny mpaka sary mandrafitra ny UPPM (Union des Photographes Professionnels de Madagascar) izay mpiara-miasa akaiky amin’ny ministera.

UPPM