AKON’NY FANANGANAN-TSAINA NY ALATSINAINY 26 AOGOSITRA 2024

Nitarika ny fananganan-tsaina teto Anosy, ny maraina teo, ny Minisitra vaovao misahana ny Serasera sy ny Kolontsaina, ???? ??????????? ?????. Ity no fihaonana voalohany tamin’ireo mpiara-miasa rehetra taorian’ny nahavoatendry azy hisahana ity departemanta ministerialy ity. Nandritra izany no nizarany tamin’ireo mpiara-miasa ny lalantsaina hitondrana ny asa rehetra eto anivon’ny ministera, ho fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny sehatry ny serasera sy ny kolontsaina. Mitohy ny asa hoy ramatoa Minisitra izay tsy vaovao amin’ireo mpiara-miasa noho izy efa nitana andraikitra maro teto anivon’ny MSK.