TONGASOA RAMATOA MINISITRA

Noraisin’ny mpiasan’ny MSK tamin’ny fomba ofisialy androany tao amin’ny Havoria Anosy, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina vaovao, ???? ??????????? ?????. Maro ireo parlemantera tonga nifanotrona taminy tamin’izany lanonana manasongadina ny kolontsaina malagasy izany. Nitso-drano ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena eto Antananarivo, izay sady minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina teo aloha, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Nanamarika kosa ny filoha lefitry ny anteminieran-doholona (faritany Antananarivo – Fianarantsoa – Toliara) fa vonona hifanome tanana amin’ny fanatanterahina ny asa.

Minisitera miavaka ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina noho izy mpitondra ny hafatra lehibe rehetra ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina vaovao, Mara Volamiranty Donna. Ny kolontsaina rahateo no andry ifaharan’ny hambom-po rehetra entin’ny malagasy hampandroso an’i Madagasikara ary hita taratra izany tamin’ity lanonana androany ity.
Hiainga eo anivon’ny minisitera ny lafiny maha olona izay andry voalohany napetraky ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny vinam-pandrosoan’ny firenena. Ny fahasamihafan’ny hevitra no hatambatra hampandrosoana ity departemanta ity hoy hatrany, Mara Volamiranty Donna, minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Mankasitraka ny tarika ??????????, ???? ?????, ??????, ?ℎ???? ??????? ??? ???? ????????? ?? ???????????? ??? ?? ????’?? ?????́??? ????????? ??? ???? ?? ?? ?? ??????? (????) nanafana ny fotoana androany!