TETIKASA TSIMBINA – FANOHANANA IREO MPIARA- BELONA MAREFO

Niara-dia tamin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina omaly Alakamisy 29 Aogositra 2024, ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tarihin’ny minisitra ???? ??????????? ?????, tamin’ny fanombohana ny tetikasa TSIMBINA.

Fandaharanasan’ny gouvernementa Malagasy arindran’ny minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina ary tanterahin’ny FID, ho fiahiana ireo mpiara-belona marefo indrindra noho ny fiakaran’ny vidim-piainana ary hanohanana ny fianaran’ny ankizy, ny tetikasa Tsimbina.

Mandray anjara feno amin’ny fanentanana sy fampiroboroboana ny tetikasa goavana toa izao ny MSK amin’ny alalan’ny fampitam-baovao manerana ny nosy.

Ankohonana marefo maherin’ny 650.000 manerana ny Faritra 23 no kendrena hisitraka ny tetikasa Tsimbina. Ho an’ny omaly, teto Antananarivo, ankohonana marefo miisa 1579 avy amin’ny fokontany 6 no nisitraka ny fanampiana.