AKON’ NY FARITRA – FARAFANGANA

Nihaona tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Atsimo Atsinanana, ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ???? ??????????? ?????, nandritra ny fandalovany tao Farafangana androany. Fotoana nihainoany ireo mpiara-miasa sy nametrahany ireo laminasa vaovao entina hampiodinana ny rafitra rehetra an’ny MSK.

Hitohy amin’ireo fitaleavana manerana ny nosy ny fidinana ifotony toy izao, mba hanafainganana ny fampandrosoana ny sehatry ny serasera sy ny kolontsaina, ho fampitoviana lanja ny faritra rehetra ary ho fandrindrana araka ny tokony ho izy ny asa rehetra eto anivon’ny MSK.