FANANGANAN-TSAINA VOALOHAN’NY HERINANDRO SADY FIHAONANA TAMIN’NY MPIARA-MIASA ANY NANISANA

Tany Nanisana no nananga-tsaina ny fianakaviam-ben’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina tamin’ity anio ity. Nanambara ramatoa minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa ilaina ny fitohizan’ny asa ary manana asa maro vitaina ny minisitera ato anatin’ny telo volana. Notsindriany tamin’ny fandraisana fitenenana fa ny fifehezan- tena sy ny toe-tsaina maha matianina no takiana amin’ny tsirairay hampandehanana ny asa.

Homena vahana ny firaisan-kina sy ny fifampitsinjovana hanomezana aina vao ny minisitera. Samy tompon’andraikitra, samy mandray ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay, izany no fomba hoenti-mampandroso ny asa.
Nisy ny fitsidihana ny birao rehetra, isan’izany ny IVOTORO izay toerana fakan-kevitra amin’ny antso an-tariby momba ny raharaham-panjakana rehetra ary ny Fitaleavana misahana ny fandrindrana ny filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara, izay samy rafitra eo ambany fiahian’ny Fitaleavana Jeneralin’ny Serasera eny Nanisana.