FANOMBOHANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TETIKASA  PRRC

Nanatrika ny atrikasa nanombohana ny tetikasa PRRC (?????? ??́?????? ???? ?? ??́???????? ??????????) niaraka tamin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ???? ??????????? ????? omaly.

Ny tetikasa PRRC izay novolavolaina entina hampandrosoana ny faritra atsimon’ny Nosy, araka ny vinan’ny Filoha Andry RAJOELINA, dia miompana amin’ny fananganana tohadrano lehibe eo amin’ny renirano Mandrare ary hapetraka ao amin’ny Kaominina Mahaly. Io tohadrano io dia hanome herinaratra 1,9 MW hamatsiana jiro ny tanàna madinika maro amin’ny tapany avaratr’Amboasary ka hatrany Ambovombe.
Hisy andiana fantsona roa lehibe hitondra rano hatrany amin’ny 330 kilometatra ho rano fisotro madio ary hanondraka velaran-tany mahatratra 16.000 hekitara ao amin’ny distrikan’i Amboasary sy Ambovombe. Mponina miisa 500.000 mahery no hahazo tombony amin’ny fametrahana io tohadrano lehibe io.
Primatiora/MSK