FANDRAISANA FISOTRON-DRONONO EO ANIVON’NY OMDA

Fihaonana teo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka no nitranga tao amin’ny foiben’ny Ofisy miaro ny zon’ny mpamorona na ny OMDA io maraina io. Tonga nihaona tamin’ireo mpamorona mpikambana ao amin’ity rafitra ity, izay efa mandray ny fisotroan-dronono, ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ???? ??????????? ?????. Niarahaba koa ireo mpanakanto mpamorona miisa 9 mianadahy mianaka, izay hanomboka hisitraka ny fisotroan-dronono rehefa nahafeno ny fepetra rehetra momba izany.

Nanome toky ramatoa minisitra fa vonona ny hihaino sy hifampidinika hatrany amin’ireo mpamorona mpikambana ao amin’ny OMDA, momba ny fanamafisana sy fiarovana ny zon’izy ireo ary hiady mafy ho amin’ny fametrahana ny satan’ny artista. Isan’ny nohamafisiny ny fisokafan’ny fahitalavi-pirenena TVM sy ny radio nasionaly malagasy RNM hatrany, amin’ny fandefasana ireo sanganasan’ny mpanakanto Malagasy, ho fampiroboroboana ny sehatry ny kolontsaina. Miisa 161 ireo mpandray fisotroan-dronono eo anivon’ny OMDA, miampy 9 ireo vao nanomboka nisitrika izany nanomboka androany. Niantso azy ireo hanome tanana amin’ny fandresen-dahatra ireo artista zandriny, hiditra ho mpikambana ao amin’ny OMDA ramatoa minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina.