MPANAO GAZETY, FIOFANANA FIOMANANA AMIN’NY VANIM-POTOANAN’NY FIFIDIANANA.

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana ho an’ny mpanao gazety momba ny fiatrehana ny asa fanaovan-gazety mandritra ny vanim-potoanan’ny fifidianana omaly maraina, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ???? ??????????? ?????. Fiofanana karakarain’ny Fondation Friedrich Ebert na FES ary tohanan’ny vondron’ireo firenena mampiasa sy miteny ny teny frantsay na OIF.

Zava-dehibe ny fiofanana toy izao, hoy ramatoa minisitra fa mifanindran-dalana amin’ny politika ankapoben’ny fitondrana ankehitriny, dia ny hampiroborobo ny maha olona (capital humain).
Mpanao gazety tanora, miisa 60, mandrafitra ny taninketsan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara, ankehitriny, no ofanina mandritra ity fandaharan’asa ity. Mpanao gazety matihanina maro avy eto an-toerana kosa no misahana ny fampitana sy fizarana traikefa amin’izy ireo.
—-
????????? ??? ???????????? : ????????? ??? ?????́?????? ?? ??́????? ?́?????????
Hier, la ministre de la Communication et de la Culture, MARA Volamiranty Donna, a lancé une formation pour les journalistes. Organisée par la Fondation Friedrich Ebert (FES) et soutenue par l’Organisation Internationale de la Francophonie (OIF), cette session est conçue pour les préparer à relever les défis de la couverture médiatique en période électorale.

60 jeunes journalistes participent à ce programme, bénéficiant des conseils d’experts locaux. Cette formation leur fournira les outils nécessaires pour aborder les enjeux politiques et relayer les faits de manière équilibrée et responsable. Le ministère soutient pleinement toute initiative visant à développer le capital humain, une priorité du gouvernement actuel.