LADIES MAKIS

Amin’ny maha reny mpiahy azy ny ekipam-pirenena vehivavy ?????? ?????, dia nandray sy nitsodrano ireo mpilalao izay hiatrika tsy ho ela ny fifaninanana WXV3 hiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny taranja baolina lavalava, ramatoa ????? ?????????, androany teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsirohitra.

Manohana sy matoky azy ireo tanteraka ramatoa Mialy Rajoelina. Nanolotra vatsy ho azy ireo sy ny mpanazatra ny tenany hiatrehana ity fifaninana ity izay hotanterahina any Dubaï ny 27 septambra hatramin’ny 11 oktobra 2024.