FIVOARIAN’NY AFRICA50 ETO ANATANANARIVO

Mandray ny fivoriamben’ny Africa50 Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara, anio 19 septambra 2024. Ny Africa50 dia sehatra ho an’ny fampiasam-bola izay eo ambany fitarihan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD) entina hitadiavana famatsiam-bola ho an’ireo fotodrafitrasa aty Afrika. Mpampiasa vola sy mpitarika avy amin’ny firenena afrikanina miisa 31 no handray hanjara amin’ireo adihevitra ho fanamafisana ireo fiaraha-miasa sy hanafainganana ireo tetikasa lovain-jafy.

Handeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena TVM ny fanokafana ity fivoriana iraisam-pirenena tanterahina eny amin’ny CCI Ivato ity.
Antananarivo accueille aujourd’hui, 19 septembre 2024, l’assemblée générale des actionnaires d’Africa50. Africa50 est une initiative panafricaine visant à mobiliser des financements pour les infrastructures en Afrique, sous l’égide de la Banque africaine de développement (BAD). Des investisseurs et leaders venant de 31 pays africains participeront aux discussions, avec pour objectif de renforcer les partenariats et d’accélérer la réalisation de projets durables sur le continent.

La cérémonie d’ouverture de cette importante réunion internationale, qui se tient au CCI Ivato, sera diffusée en direct sur la chaîne nationale TVM.