FESTIVAL ANGAREDONA 2024

Tanterahina nandritra ity faran’ny herinandro ity (20, 21, 22 Septambra 2024) ny andiany faha 18 amin’ny festival ANGAREDONA, izay manasongadina ny « ???????? ???????? ». Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hestika ny alin’ny zoma lasa teo, ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina RAKOTONDRASOAVA Fetra, izay nisolo tena ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ???? ??????????? ?????. Nidera sady nankahery ny mpikarakara izy noho ny faharetana sy ny fiezahany amin’ny fanomanana hetsika toy izao, ary nanamafy ny fanohanan’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ireo talenta rehetra sy ireo mpikarakara hetsika ho fampiroboroboana ny orinasan-kolontsaina sy ny famoronana, na ny industries culturelles et créatives.

?Talenta Production/ MSK