FIFIDIANANA BEN’NY TANANA -FANAZAVANA AVY AMIN’NY MPITONDRA TENIN’NY GOVERINEMANTA

Nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety ny ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Mpitondra tenin’ny Governemanta, ???? ??????????? ?????, ny maraina teo, momba ny fanovana ny lisitry ny antontan-taratasy sasany ilaina amin’ny firotsahan-kofidiana ben’ny tanàna, araka ny tapaky ny filan-kevitry ny governemanta notanterahina omaly alakamisy 19 septambra. Ireo teboka nisongadina:

Azo ampiasaina hanaporofoana ny fananana ny zom-pirenena malagasy ny sora-piankohonana na dika mitovy ny karapanondrom-pirenena, nohamarinin’ny manampahefana na «copie certifiée ».
Nampatsiahy ramatoa minisitra fa nahemotra hatramin’ny 26 septambra 2024 ny fepotoana fametrahana taratasy firotsahan-kofidiana;
Tsy miova ny datin’ny 11 desambra hanatanterahina ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina;
Efa mametraka ny fepetra rehetra hisian’ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana ny fitondram-panjakana, ary handray fepetra manoloana ireo mety ho endrika fanakorontanana.

La Ministre de la Communication et de la Culture, Porte-parole du Gouvernement, MARA Volamiranty Donna, a tenu une conférence de presse ce matin pour apporter des précisions sur les changements concernant la liste des documents requis pour se porter candidat aux élections municipales, suite aux décisions du Conseil du Gouvernement du jeudi 19 septembre. Voici les points à retenir :

Un acte de naissance ou une copie certifiée conforme de la carte d’identité nationale pourra être utilisé pour attester de la nationalité malgache.

La date limite de dépôt des candidatures est prolongée jusqu’au 26 septembre 2024.

La date du 11 décembre pour les élections municipales et communales reste inchangée, comme prévu initialement.

Le gouvernement met tout en œuvre pour garantir le bon déroulement des élections et veillera à ce qu’elles se déroulent dans un climat serein.