PHOTOMANIA ANDIANY VOALOHANY

Hotanterahina ny zoma 27 sy sabotsy 28 septambra ho avy izao eny Andraharo, ny andiany voalohany amin’ny hetsika ??????????, karakarain’ireo mpaka sary matianina eto amintsika. Ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no miahy ity hetsika ity, izay mifanindran-dalana hatrany amin’ny tanjony dia ny hampiroborobo ny asa famoronana ary ny indostrian’ny kolontsaina sy ny famoronana (industries culturelles et créatives) amin’ny ankapobeny. Hisy ny atrikasa samihafa misokatra ho an’ny rehetra, fizarana traikefa eo amin’ireo matianina sy ireo mpankafy ny fakana sary sy ny maro hafa…