ADY AMIN’NY FANAPARIAHANA VAOVAO DISO

Tanterahina eny amin’ny Cité de la Culture Antaninarenina hatramin’ny 28 septambra, ny hetsika manodidina ny ady atao amin’ny fanapariahana vaovao diso: « ?? ????? ?????? ?? ??́???????????? ???? ???????? ???? : ?́????????, ????????, ??́??????? », an’ny fandaharanasa « ??????????? ».

« Tsy maintsy mifanome tanana isika amin’ny ady hatao amin’ny fiparitahan’ny tsaho sy ny vaovao tsy marina. Asa masina ny asa fanaovan-gazety, manan-danja ho antsika ny mampahafantatra vaovao marina sy manabe ny olom-pirenena, indrindra manoloana ny fivoaran’ny tekinolojia vaovao sy ny tambajotran-tserasera ankehitriny », hoy ramatoa minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ???? ??????????? ?????, raha nanatrika ny famelabelaran-kevitra notanterahina io maraina io teny Antaninarenina.

Tetikasa novolavolain’ny Transparency International – Initiative Madagascar, iarahany amin’ny Friedrich Ebert-Stiftung (FES) sy ny Actions Médias Francophones Madagascar (AMFM), ary tohanan’ny Vondron’ireo tany miteny sy mampiasa ny teny frantsay (OIF), ny VaovaoCheck. Mpanao gazety maro avy amin’ny haino aman-jery samihafa kosa no mandrafitra izany ary manaparitaka ireo fanadihadiana fanamariham-baovao amin’ny fitaovan-tserasera samihafa toy ny youtube, facebook ary « site web ».