AKON’ NY HETSIKA PHOTOMANIA ANDIANY VOALOHANY

Miahy ny andiany voalohany amin’ny hetsika ??????????, Salon de la Photo, izay natao teny Andraharo nandritra ny roa andro ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Hetsika izay nanaporofo indray fa sehatr’asa feno, matihanina ary mamorona asa, ny tontolon’ny fakana sary eto Madagasikara ankehitriny.

Ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisitera dia manohana hatrany ny hetsika fampiroboroboana ny sehatr’asa toy izao noho izy mifandray amin’ny vinam-panjakana manosika ny fampiroboroboana ny indostrian’ny kolontsaina sy ny famoronana.

Mankasitraka ny mpikarakara tamin’ny finiavana hanome sehatra ireo mpaka sary sy ireo sehatr’asa hafa manodidina azy.

???? ?? ????: Union des Photographes Professionnels de Madagascar (UPPM)