FIHAONAN’ NY FIRENENA MIKAMBANA AO ANATIN’ NY KAOMISION ‘NY RANOMASIMBE INDIANA (COI) NY VOALOHAN’ NY TAONA 2025

Ho tanterahina ao Nosy Be ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy governemanta an’ireo firenena mikambana ao anatin’ny Kaomision’ny Ranomasimbe Indiana (COI) ny voalohan’ny taona 2025.

Ny fampiantranoan’i Madagasikara izany fihaonana lehibe izany no anisan’ny noresahan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tamin’ny fihaonany tamin’ny Praiminisitra Maorisiana, Pravind Kumar Jugnauth.

Noresahana ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta eo amin’ny lafiny fanjarian-tsakafo, ny fampiroboroboana ny fizahantany ary ny fiarovana ny sisin-dranomasina amin’ny ady amin’ny jiolahin-tsambo sy ny fanondranana zava-mahadomelina.