FIARAHA-MIASA ARA-KOLONTSAINA EO AMIN’ NY MADAGASIKARA SY FRANCE

Natomboka androany tany Paris ny asan’ny komity iombonan’i Madagasikara sy Frantsa handinika ny fampodiana ny kabeson’ny mpanjaka Sakalava Toera.

Nanokatra ny fanombohana ny asan’io komity io ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina malagasy ???? ??????????? ????? sy ny minisitry ny Kolontsaina frantsay ??????? ????.

Amin’ny maha komity siantifika azy dia ahitana mpampianatra mpikaroka, manampahaizana momba ny tantara na koa momba ny lafiny lalàna ity komity iombonana ity.

Nialoha izay dia nisy ny dinikasa manokana niarahan’ny minisitra roa tonta, momba ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny lafiny kolontsaina, narahana fanaovantsonia fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny sehatry ny fikajiana ny harembakoka sy ny fampiroboroboana ny mozea.