VILLAGE DE LA FRANCOPHONE

Nandray anjara tamin’ny tranohevan’i Madagasikara tao amin’ny village de la francophonie tany Paris ny 2 hatramin’ny 6 oktobra, ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, nampiseho ireo harembakoka sy harentsaina mampiavaka antsika toy ny Rovan’i Madagasikara, ny hira gasy izay harembakoka tsy azo tsapain-tanana, ny kabary (niaraka tamin’ny Fimpima Frantsa) ary nanotrona ireo mpianatra malagasy any Frantsa izay nanao seho ara-javakanto.