FESTIVAL MADAJAZZCAR ANDIANY FAHA-35

Sary vitsivitsy nanamarika ny lanonana fanokafana ny andiany faha-35 an’ny hetsika ara-javakanto 𝐅𝐞𝐬𝐭𝐢𝐯𝐚𝐥 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐣𝐚𝐳𝐳𝐜𝐚𝐫, tao amin’ny 𝐻𝑎𝑣𝑜𝑟𝑖𝑎 𝐴𝑛𝑜𝑠𝑦, ny Alakamisy 03 oktobra lasa teo. Omaly Alatsinainy 7 oktobra, nampiantrano ny fampisehoana maimaimpoana an’ny tarika SOLOMIRAL ny Havoria. Anio hariva kosa dia ny IVOKOLO Analakely indray no handray ny fampisehoana maimaimpoana iarahana amin’i Sanda Ranaivosoa, Solo Andrianasolo, Tsitohaina Ratsimba ary Sitraka Ranaivosoa.

Tafiditra hatrany ao anatin’ny fanohanan’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fivelaran’ny gadona rehetra sy ireo mpanakanto malagasy ny fanokafana ireo fotodrafitrasa samihafa amin’ireo mpikarakara hetsika ara-javakanto.
𝑁𝑎𝑘𝑎 𝑛𝑦 𝑠𝑎𝑟𝑦: Zou Bloom